Eto ianao : Fandraisana> Baiboly
Voalohany  < 702 703 704 705 706 707 708 709 710 711 712
Fanambaràna toko 22 (tohiny)

       16Izaho Jesoa no naniraka ny anjeliko hanambara ireo zavatra ireo aminareo ho an'ny Eglizy. Dia izaho ilay solofo sy taranak'i Davida ary kintana mamirapiratra fitarika andro.
       17Ary hoy ny Fanahy sy ny Ampakarina: Avia! Aoka izay nandre koa hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta, mbamin'izay maniry izany, ka hisotro maimam-poana amin'ny ranon'aina!
       18Ary izao no lazaiko amin'izay rehetra mandre ny teny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy azy, dia hasian'Andriamanitra amin'ny loza voasoratra amin'ity boky ity. 19Ary raha misy kosa manesotra teny amin'ity boky faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy ny tanàna masina voasoratra amin'ity boky ity.
       20Izao no lazain'ilay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana aho. Amena! Avia, ry Jesoa Tompo!
       21Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena.
Pejy: Voalohany  < 702 703 704 705 706 707 708 709 710 711 712