Eto ianao : Fandraisana> Baiboly
 < 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 Manaraka  Farany
Jenezy toko 14 (tohiny)
14Vao ren'i Abrama fa hoe lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nomaniny ny ankohonany mahatoky indrindra amin'ny ady, izay teraka tao an-tranony, valo ambin'ny folo sy telon-jato, ka nenjehiny hatrany Dana ireo mpanjaka ireo. 15Natokotokony ny olona nentiny mba hanao sovok'alina izy sy ireto mpanompony, ka nandresy sy nanenjika an-dry zareo hatrany Hoba, ao an-kavian'i Damasy. 16Nentiny nody daholo ny fananana; azony koa Lota rahalahiny, mbamin'ny fananany, sy ny vehivavy ary ny olona rehetra.
       17Nony efa nandresy an'i Kodorlahomora sy ireo mpanjaka nomba azy Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma, hitsena azy tao an-dohasahan'i Save, dia ny lohasahan'ny mpanjaka izany. 18Melkisedeka mpanjakan'i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron'Andriamanitra avo indrindra izy. 19Dia nitsodrano an'i Abrama izy nanao hoe: Hanisy soa an'i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra izay nahary ny lanitra sy ny tany. 20Ary isaorana anie Andriamanitra avo indrindra izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tànanao. Ary Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.
       21Dia hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona fa ny fananana no ento ho anao. 22Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tànana tamin'ny Tompo Andriamanitra avo indrindra, izay nahary ny lanitra sy ny tany, 23fa tsy haka amin'izay rehetra mety ho anao, hatramin'ny singan-taretra ka hatramin'ny hoditra fehin-kapa, mba tsy hilazanao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama. 24Tsy hitana na inona na inona ho ahy aho, afa-tsy izay nohanin'ny zatovo, sy ny anjaran'ny olona momba ahy dia Anera sy Eskola ary Mambre; ireo dia haka ny anjarany.
Jenezy toko 15
Faneken'Iaveh tamin'i Abrama.

       1Taorian'izany, tonga tamin'i Abrama tamin'ny fahitana ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama, fa izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao. 2Fa hoy ny navalin'i Abrama: Iaveh Tompo ô, inona no homenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia Eliezera avy any Damasa. 3Ary hoy Abrama: Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin'ny fianakaviako no ho mpandova ahy. 4Tamin'izay dia tonga taminy ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Tsy izy io no mpandova anao, fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao. 5Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy hianao, ary hoy izy taminy: Ho tahaka izay ny taranakao. 6Ary nino an'ny Tompo Abrama, ka neken'ny Tompo ho fahamarinany izany.
       7Ary hoy izy taminy: Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin'ny Kaldeana, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy. 8Hoy ny navalin'i Abrama: Iaveh Tompo ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho? 9Dia hoy Iaveh taminy: Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray, osivavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromailala iray. 10Dia nentin'i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiny avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. 11Niantoraka hifaoka ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin'i Abrama.
       12Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy Abrama, ary indro notsindrian'ny tahotra mafy sy ny aizim-pito izy. 13Hoy Iaveh tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny any amin'ny tany tsy azy ny taranakao, hanompo olona izy any, ary hampahorina mandritra ny efa-jato taona. 14Fa hotsaraiko ny firenena izay hanandevo azy, ka rahefa afaka izy ireo dia hivoaka avy any mitondra harem-be. 15Hianao dia handeha ho any amin'ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara hianao vao halevina. 16Ary izy ireo kosa rahefa mby amin'ny taranaka fahefatra dia hiverina aty; fa hatramin'izao dia mbola tsy feno mitafotafo ny faharatsian'ny Amoreana. 17Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka.
       18Tamin'izany andro izany nanao fanekena tamin'i Abrama Iaveh nanao hoe: Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Ejipta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia i Eofrata izany; 19Ny tanin'ny Sineana, ny Senezeana, ny Kadmoneana, 20ny Heteana, ny Ferezeana, ny Refaima, 21ny Amoreana, ny Kananeana, ny Zerizeseana ary ny Jeboseana.
Jenezy toko 16
Ny nahaterahan'Ismaela.

       1Tsy niteraka tamin'i Abrama Saray vadiny; ary nanana mpanompovavy Ejipsiana anankiray atao hoe Agara izy. 2Hoy Saray tamin'i Abrama: Indro efa nataon'ny Tompo momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin'ny mpanompovaviko, fa angamba hitera-dahy ho ahy izy. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray. 3Efa nonina folo taona tany amin'ny tany Kanaana Abrama tamin'ny nakan'i Saray, vadin'i Abrama, an'i Agara ilay Ejipsiana mpanompovaviny, ka nanomezany azy an'i Abrama vadiny.
       4Nandeha tamin'i Agara izy, dia nanana anaka ravehivavy; ary nony hitany fa nanana anaka izy, dia nataony tsinontsinona ny tompovaviny. 5Hoy Saray tamin'i Abrama: Mihatra aminao izao faniratsiràna ahy izao. Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho andefimandrinao; kanjo nony hitany fa nanana anaka izy dia nataony tsinontsinona aho. Ka Iaveh anie hitsara ahy sy hianao. 6Hoy ny navalin'i Abrama tamin'i Saray: Eo ambany fahefanao ny mpanompovavinao, ka ataovy arak'izay ataonao ho mety. Dia nampahorian'i Saray Agara ka nandositra tsy ho eo anatrehany.
       7Hitan'ny Anjelin'ny Tompo teo anilan'ny loharano anankiray tany an-efitra izy, dia teo anilan'ilay loharano amin'ny lalana mankany Sora. 8Hoy izy: Ry Agara, mpanompovavin'i Saray, avy aiza hianao ary ho aiza? Hoy ny navaliny: Mandositra lavitra an'i Saray tompovaviko aho. 9Fa hoy ny Anjelin'ny Tompo taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao, ka manetre tena eo ambanin'ny fahefany. 10Ary hoy koa ny anjelin'ny Tompo: Hataoko marobe ny taranakao, ka tsy ho azo isaina noho ny hamaroany.
       11Hoy indray koa ny Anjelin'ny Tompo: Indro manana anaka hianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin'ny Tompo ny fahorianao. 12Ho ampondra haolo io lehilahy io: Ny tànany haingainy hamely ny olona rehetra, ary ny tànan'ny olona rehetra kosa hiainga hamely azy; honina tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy. 13Nataon'i Agara hoe: Atta-El-Roi no anaran'ny Tompo izay niteny taminy, fa hoy izy: Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra izay nahita ahy? 14Izany no niantsoan'ny olona io fantsakana io hoe fantsakan'i Lakai-Roi. Ao anelanelan'i Kadesy sy Barada izy io.
       15Dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama Agara; ary nomen'i Abrama anarana hoe Ismaely ny zaza naterak'i Agara. 16Efa enina amby valo-polo taona Abrama tamin'ny niterahan'i Agara an'Ismaely tamin'i Abrama.
Jenezy toko 17
Fanekem-pihavanana vaovao - Ny nampanaovana ny famorana.

       1Nony efa sivy amby sivy folo taona Abrama dia niseho taminy Iaveh ka nanao taminy hoe: Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny hianao; 2hanorina ny fanekeko aminao aho, sady hahamaro tsy hita isa anao.
Pejy:  < 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 Manaraka  Farany