Eto ianao : Fandraisana> Baiboly
 < 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 Manaraka  Farany
Jenezy toko 17 (tohiny)
3Dia niankohoka tamin'ny tany Abrama ary Andriamanitra niteny taminy nanao hoe: 4Ny amiko dia izaho no fanekeko aminao: Hianao dia ho tonga rain'ny firenena tsy hita isa, 5ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria hataoko rain'ny firenena tsy hita isa hianao. 6Hampitomboiko dia hampitomboiko hianao, hataoko firenena maro hianao, ary hisy mpanjaka avy aminao. 7Manao fanekena aminao aho, aminao sy amin'ny taranakao, hanaraka anao amin'ny taona mifandimby, dia ho fanekena maharitra mandrakizay, mba ho Andriamanitrao aho, sy ho Andriamanitry ny taranakao handimby anao. 8Homeko anao sy ny taranaka handimby anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary izaho no ho Andriamanitr'izy ireo.
       9Hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny aminao kosa, hitandrina ny fanekeko hianao, dia hianao sy ny taranakao amin'ny taona mifandimby. 10Ka ny fanekena hotandremanareo, izay ifanekeko izaho sy hianareo sy amin'ny taranaka handimby anao, dia izao: Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo. 11Hifora amin'ny nofonareo hianareo; ary izany no ho mariky ny fanekeko aminareo. 12Vao teraka havaloana ny zazalahy eo aminareo amin'ny taona mifandimby, dia hoforàna izy; na ny teraka ao an-trano, na izay novidim-bola tamin'ny olon-kafa na iza na iza, izay hafa firenena aminao. 13Tsy maintsy foràna avokoa ny lehilahy, na ny teraka ao an-trano, na ny novidim-bola, ka dia ho eo amin'ny nofonareo ny fanekeko, ho fanekena mandrakizay. 14Raha lehilahy tsy noforàna tamin'ny nofony, dia hoesorina amin'ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.
       15Hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany. 16Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao. Hasiako soa izy ho tonga firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy. 17Niankohoka tamin'ny tany Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka! 18Dia hoy Arahama tamin'Andriamanitra: Enga anie ka ho velona eo anatrehanao Ismaely! 19Hoy Andriamanitra: Eny, hitera-dahy ho anao Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy aho, dia fanekena mandrakizay ho an'ny taranany hanaraka azy. 20Ny amin'Ismaely dia efa nihaino anao aho, ka efa nitso-drano azy aho; hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra. Hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, ary hotongaviko ho firenena lehibe. 21Ny fanekeko anefa dia haoriko amin'Isaaka, izay haterak'i Sarà, vadinao, ho anao, raha avin-taona toy izao. 22Nony tapi-niteny tamin'i Abrahama Andriamanitra dia niakatra izy niala teo aminy.
       23Dia nalain'i Abrahama Ismaely zanany, mbamin'ny ompikeliny rehetra sy izay rehetra novidiny vola, dia ny lahy rehetra tamin'ny olona ao an-tranony, ka noforany androtr'izay ihany, araka ny nandidian'Andriamanitra azy. 24Efa sivy amby sivy folo taona Abrahama tamin'izy noforàna; 25ary efa telo ambin'ny folo taona Ismaely tamin'izy noforàna. 26Noforàna androtr'izay avokoa Abrahama sy Ismaely zanany, ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, na ny ompikeliny na izay novidim-bola tamin'ny olona hafa firenena, dia samy niara-noforàna taminy.
Jenezy toko 18
Ny namangian'Andriamanitra an'i Abrahama - Ny nifonan'i Abrahama ho an'i Sodoma.

       1Ary Iaveh niseho taminy, teo amin'ireo terebintan'i Mambre, raha ilay nipetraka teo am-baravaran'ny lainy iny izy, tamin'ilay nigaingaina iny ny andro. 2Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran'ny lainy, nitsena azy, ary rahefa niankohoka tamin'ny tany izy, 3dia nanao hoe: Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao, 4fa aoka hangalàna rano kely hianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo am-pototr'ity hazo ity hianareo; 5dia hangalako mofo kely hianareo hataonareo tohan'aina, vao manohy ny dianareo hianareo, fa izany no nandalovanareo amin'ny mpanomponareo. Dia hoy ny navalin'ireo: Ataovy àry, araka izay voalazanao.
       6Dia niverina faingana Abrahama nankeo an-day amin'i Sarà ka nanao hoe: 7Faingàna hianao, mangalà lafarina intelon'ny famarana, ditio ka ataovy mofo. 8Avy eo Abrahama dia nandeha faingana ho any amin'ny andian'omby, dia naka zanak'omby anankiray tanora sy tsara izy, ary nomeny ny mpanompony izay nahandro izany faingana; dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin'ilay zanak'omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan'izy ireo, ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo. Ary nihinana izy ireo. 9Rahefa izany dia hoy ireo taminy: Aiza Sarà vadinao? Hoy ny navaliny: Ao an-day ao izy. 10Ary hoy izy: Hiverina aty aminao indray aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy Sarà vadinao. Ren'i Sarà teo am-baravaran'ny lay, teo ivohony, izany teny izany. 11Ary Abrahama sy Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana; ary Sarà dia efa nitsaha-potoana, 12ka nihomehy anakampo Sarà nanao hoe: Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa? ary ny tompoko koa itsy efa antitra! 13Hoy Iaveh tamin'i Abrahama: Nahoana Sarà no nihomehy nanao hoe: Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hiteraka indray? 14Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan'ny Tompo va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray aho; ary Sarà dia hahazo zazalahy. 15Nandà Sarà nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory; fa natahotra izy. Tsia fa nihomehy tokoa hianao, hoy izy.
       16Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sodoma; Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.
       17Ary hoy Iaveh: Hafeniko amin'i Abrahama va izay efa hataoko? 18Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery, sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 19Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn'ny Tompo, amin'ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan'ny Tompo amin'i Abrahama ny soa nampanantenainy azy. 20Dia hoy Iaveh: Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin'i Sodoma sy Gomora, ary lehibe indrindra ny fahotan'izy ireo. 21Koa hidina aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben'ny fahotany araka ny fitarainana tonga hatraty amiko, ary raha mbola tsy feno dia ho hitako.
       22Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'ny Tompo ihany. 23Ary nanatona Abrahama ka nanao hoe: Hataonao maty miaraka amin'ny meloka koa va ny marina? 24Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoinao koa va ireny. Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao? 25Sanatria anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina? 26Hoy Iaveh: Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanàna Sodoma aho, dia hamindra fo amin'ny tanàna manontolo noho ny fitiavako an'ireo.
Pejy:  < 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 Manaraka  Farany