Bokin'i Baroka

Toko voalohany

15 Ka ataovy hoe: An'ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana; antsika kosa ny henatra amin'ny tava, araka izao hita anio izao, ho an'ny lehilahy rehetra any Jodà, sy ny mponina any Jerosalema, 16 ho an'ny mpanjakantsika sy ny mpanapaka, ho an'ny mpisorontsika mbamin'ny mpaminany, sy ho an'ny razantsika.

17 Nanota teo anatrehan'ny Tompo isika;

18 ary tsy nanaiky azy. Tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitsika isika, tsy nanaraka ny didin'ny Tompo, izay navoakany teo anatrehantsika.

19 Hatramin'ny andro nitondran'ny Tompo ny razantsika hiala tany amin'ny tany Ejipta ka mandrak'ankehitriny, dia tsy nety hoentin'ny Tompo Andriamanitsika isika, sady nivily isika noho ny hadalantsika, mba tsy hihaino ny feony.

20 Koa araka izay hita anio izao, dia zoin-doza lehibe isika sy azon'izay ozona notononin'ny Tompo, tamin'ny alalan'i Moizy mpanompony izay nitondra ny razantsika nivoaka ny tany Ejipta, mba hanomezany antsika tany tondra-dronono aman-tantely.

21 Tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitsika isika, araka ny teny rehetra nataon'ireo mpaminany, izay nirahana hankaty amintsika.

22 Dia nandeha isika, samy nanaraka ny fitongilanan'ny fony ratsy avy, mba hanompo andriamani-kafa, sy hanao ny ratsy eo imason'ny Tompo Andriamanitsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0437