Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 53, 10-11.

       <10Sitrak'Iaveh ny nanorotoro azy tamin'ny fijaliana,
nefa rahefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana,
dia hahita taranaka izy, ho lava andro iainana,
ary hambinina eo an-tànany ny hevitra nokasain'ny Tompo.
       11Noho ny fijalian'ny fanahiny,
dia hahita izy, ka ho afa-po.
Ilay marina, mpanompoko, noho ny fahalalany,
hanamarina olona betsaka,
ary ny tenany hivesatra ny helok'ireo. >