Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Jenezy

Jenezy toko 3, 9-24.
<9Fa Iaveh Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe: Aiza moa hianao? 10Hoy ny navaliny: Nandre ny feonao tao anaty saha aho, ka natahotra, fa mitanjaka, ka dia niery aho. 11Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Iza no nahafantaranao fa mitanjaka hianao? Moa nihinana tamin'ny hazo norarako tsy hihinananao va hianao? 12Hoy ny navalin-dralehilahy: Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin'ilay hazo, dia nihinana aho. 13Hoy Iaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy: Ahoana no nanaovanao izany? Hoy ny navalin-dravehivavy: Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho. 14Hoy Iaveh Andriamanitra tamin'ny bibilava: Noho hianao nanao izany, dia voaozona hianao amin'ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin'ny kibonao hianao ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao. 15Ary hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, hianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony. 16Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka hianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin'ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao. 17Dia hoy izy tamin-dralehilahy: Noho hianao nihaino ny tenin'ny vadinao ka nihinana tamin'ny hazo norarako tsy hihinananao, dia voaozona ny tany noho ny nataonao. Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy mandritra ny andro rehetra hiainanao. 18Tsilo sy hery no vokatra homeny anao; ary anana eny an-tsaha no hohaninao. 19Ny fahatsembohan'ny tavanao ny hahazoanao hanina mandra-piverinao amin'ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka hianao, ary hody vovoka indray.
       20Ary Eva no nataon'i Adama anaran'ny vadiny, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.
       21Nanaovan'ny Tompo Andriamanitra akanjo hoditra Adama sy ny vadiny dia natafiny azy. 22Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona raha ny amin'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Fa amin'izao kosa aoka tsy haninjitra ny tànany izy haka amin'ny hazon'aina koa, sy hihinana izany, ka ho velona mandrakizay. 23Dia navoakan'ny Tompo Andriamanitra hiala tao amin'ny sahan'i Edena izy, mba hiasa ny tany izay nangalana azy. 24Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan'ny sahan'i Edena, mba hiambina ny làlana mankany amin'ny hazon'aina. >