Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 20, 10-13
<10Fa efa reko ny vava ratsin'ny olona betsaka manao hoe:
Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza!
Torio izy, handeha hotorintsika izy!
Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko,
manao andry maso ny diako:
Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika,
ka dia hamaly faty azy isika.
11Iaveh anefa no momba ahy, toy ny lehilahy mahery;
ka hitambotsitra ireo mpanenjika ahy,
fa tsy haharesy.
Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy
amin'ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.
12Ry Iavehn'ny tafika, hianao izay mizaha toetra ny marina,
izay mahita ny voa sy ny fo,
hahita ny famalianao an'ireo aho,
fa hianao no nanankinako ny adiko.
13Mihirà ho an'ny Tompo,
miderà an'ny Tompo,
fa manafaka ny fanahin'ny ory,
amin'ny tànan'ny ratsy fanahy izy. >