Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Toko faha-19
25 Ary nitsangana teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia Maria vadin'i Kleofasy, ary Maria Madelena.26 Nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dreniny: Ravehivavy, indro ny zanakao. 27 Ary hoy koa izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao. Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.
