Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 3, 13-17
<13Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak'olona izay any an-danitra.
14Tahaka ny nanandratan'i Moizy ny bibilava tany an'efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona koa,
15mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
16Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
17Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin'izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao. >