Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Kolosiana toko 2, 12-14
<12fa niara-nilevina taminy hianareo tamin'ny batemy, ary niara-nitsangana taminy tamin'ny batemy ihany koa, noho ny finoanareo ny herin'Andriamanitra izay nanangana azy tamin'ny maty. 13Koa hianareo izay matin'ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn'ny vatanareo, dia novelomin'Andriamanitra niaraka taminy indray, nony efa navelany ny fahotantsika rehetra. 14Fa novonoiny ny sora-tànan'ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin'ny nanomboany azy tamin'ny hazo fijaliana; >