Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko faha-2

6 Araka ny nandraisanareo ny Kristy Jesoa Tompo àry, no aoka handehananareo ao aminy koa,

7 ka hamaka tsara sy hiorina ao aminy, ary hohamafisin'ny finoana sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana azy. 8 Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon'ny sasany, amin' izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin'ny hevitr'olombelona sy araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka ny Kristy. 9 Ao aminy anefa no itoeran'ny hafenoan'ny fomban'Andriamanitra an-davany sy an-tsakany; 10 ao aminy no anananareo ny zavatra rehetra, fa izy no lohan'izay rehetra mety ho fanapahana sy fahefana; 11 tao aminy no namoràna anareo tamin'ny famoràna tsy nataon-tànana, izay manala ny tena nofo, dia tamin'ny famoran'ny Kristy; 12 fa niara-nilevina taminy hianareo tamin'ny batemy, ary niara-nitsangana taminy tamin'ny batemy ihany koa, noho ny finoanareo ny herin'Andriamanitra izay nanangana azy tamin'ny maty. 13 Koa hianareo izay matin'ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn'ny vatanareo, dia novelomin'Andriamanitra niaraka taminy indray, nony efa navelany ny fahotantsika rehetra. 14 Fa novonoiny ny sora-tànan'ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin'ny nanomboany azy tamin'ny hazo fijaliana; 15 ary naongany ny fanapahana sy ny fahefana, sady nasehony miharihary ho fizahan'ny olona ka nampombainy ny mpandresy tao amin'ny hazo fijaliana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1374