Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana
Toko faha-3
4 Ary Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahianay izao, amin'ny alalan'ny Kristy.15 Mandraka ankehitriny, isaky ny vakina ny tenin'i Moizy, dia toa misy sarona manarona ny fon'izy ireo; 16 fa rahefa mitodika ny Tompo kosa izy, dia hoesorina ny sarona. 17 Ary tsy iza izany fanahy izany fa ny Tompo; ary izay itoeran'ny fanahin'ny Tompo no misy ny fahafahana. 18 Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava, fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra; sady ovain'izy Tompo izay fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.