Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

2 Korintiana toko 5, 17-21
<17Noho izany, na iza na iza ao amin'ny Kristy, dia zava-boary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra. 18Ary tsy iza no nihavian'izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana; 19satria Andriamanitra no nampihavana an'izao tontolo izao aminy indray, tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, ka tsy nitana ny fahotan'ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. 20Koa sady solon'ny Kristy àry izahay no irak'Andriamanitra koa, ka tahaka an'Andriamanitra no mananatra, sy toy ny tenan'ny Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin'Andriamanitra hianareo! 21Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy isika! >