Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Lioka toko 1, 26-38.
<26Ary rahefa nandray enina izy, dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriely ho any amin'ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, 27ho any amin'ny Virjiny anankiray fofom-badin'ilay lehilahy atao hoe Josefa, taranak'i Davida, ary ny anaran'ilay Virjiny dia Maria. 28Ary nony niditra tao aminy ilay anjely dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy hianao. 29Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. 30Fa hoy ny anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak'Andriamanitra hianao. 31Ary indro, hitoe-jaza hianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao anarany. 32Ho lehibe izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen'Andriamanitra ny fiketrahan'i Davida rainy izy, ka hanjaka mandrakizay amin'ny taranak'i Jakoba, 33ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.
34Fa hoy Maria tamin'ilay anjely: Ahoana no hahatongavan'izany, fa tsy mahalala lahy aho? 35Ny Fanahy Masina, hoy ny anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra ny Masina haterakao. 36Ary indro, Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, 37fa tsy hisy tsy ho hain'Andriamanitra atao. 38Dia hoy Maria: Inty aho ankizivavin'ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao. Dia niala teo aminy ny anjely. >