Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 2, 1-14
Ny nahaterahan'i Jesoa tao Betlehema - Ny nankanesan'ny mpiandry ondry tany aminy - Ny nandiovan'i Maria tena - Jesoa efa 12 taona, tao an-tempoly.

       1Tamin'izany andro izany dia namoaka didy Sezara Aogosta hampanoratra ny anaran'ny vahoakany amin'ny tany rehetra: 2dia fony Sirinosy no governoran'i Siria no natao izany fanoratana voalohany izany. 3Dia samy nankany amin'ny tanàna nihaviany avy izy rehetra mba hosoratana. 4Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilea avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea ho ao an-tanànan'i Davida atao hoe Betlehema, fa taranaka sy fianakavian'i Davida izy, 5mba hosoratana izy sy Maria vadiny izay bevohoka. 6Fa raha tao izy, dia tonga ny fotoana hiterahan'i Maria, 7ary niteraka ny zanany lahimatoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny.
       8Ary tamin'izany tany izany nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina. 9Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitr'Andriamanitra nanelatrelatra manodidina azy ireo ka natahotra dia natahotra izy. 10Fa hoy ny anjely taminy: Aza matahotra hianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an'ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo; 11fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. 12Ary izao no ho famantarana ho anareo: dia hahita zaza kely voahodidina lamba-jaza, sady mandry ao amin'ny fihinanam-bilona hianareo. 13Ary niaraka tamin'izay nisy antokon'ny tafika any an-danitra tonga teo amin'ilay anjely, ka nidera an'Andriamanitra, nanao hoe: 14Voninahitra ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra, ary fiadanana etý an-tany ho amin'ny olona tsara sitra-po! >