Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-9

51 Ary nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana azy, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema izy,

52 ka nandefa iraka nialoha azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin'ny tanĂ na anankiray tany amin'ny Samaritana, mba hanomana ny fandraisana azy; 53 fa tsy nisy nandray azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny azy. 54 Nony nahita izany Jakoba sy Joany mpianany dia nanao hoe: Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan'ny afo avy any an-danitra izy handevona azy? 55 Fa nitodika izy ka nananatra azy mafy hoe: Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. 56 Ny Zanak'olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy. Dia nankany amin'ny vohitra hafa izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108