Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 13, 24-43
<24Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy, nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin'ny taniny; 25fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan'ahi-dratsy tamin'ny vary, dia lasa. 26Nony naniry ny vary ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy. 27Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin'ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa? 28Ny fahavaloko no nanao izany, hoy ny navaliny. Tianao va ny handehananay hiava azy? hoy ireo mpanompony taminy. 29Tsia, hoy izy, fandrao hogontanareo mbamin'ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy hianareo. 30Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitro ny vary.
31Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny voan-tsinapy izay nalain'ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny. 32Kely indrindra amin'ny voan-javatra rehetra izy; fa rahefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voro-manidina mipetraka ao amin'ny rantsany.
33Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny lalivay, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koban-dafarina intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny lalivay azy rehetra. 34Fanoharana no nilazan'i Jesoa izany rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana, 35mba ho tanteraka ny tenin'ny mpaminany manao hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin'ny nanaovana an'izao tontolo izao.
36Tamin'izay, nony efa nampody ny vahoaka izy, dia mba nody, ary nanatona azy ny mpianany nanao hoe: Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny ahi-dratsy. 37Ary namaly izy ka nilaza taminy hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona; 38ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak'ilay ratsy; 39ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny anjely. 40Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin'ny afo no hatao raha mby amin'ny fahataperan'izao tontolo izao. 41Haniraka ny anjeliny ny Zanak'olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin'ny fanjakany, 42ka hanipy azy ao amin'ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 43Amin'izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana. >