Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 15, 21-28

       <21Niala teo Jesoa, dia nankany amin'ny faritanin'i Tira sy Sidona. 22Ary indro nisy vehivavy kananeana anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: MamindrĂ  fo amiko, ry Tompo, Zanak'i Davida, fa ampijalian'ny demony mafy loatra ny zanako vavy; 23fa tsy namaly azy Jesoa na dia indraim-bava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika. 24Ary hoy ny navaliny azy: Tsy nirahina afa-tsy ho an'ny ondry very amin'ny taranak'Israely aho. 25Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: Tompo Ă´! vonjeo aho! 26Nefa novaliany hoe: Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an'ny amboa. 27Ary hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko, nefa ny amboa kely mba mihinana ny sombitsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany. 28Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ihany ny zanany vavy. >