Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 15, 32-39
<32Ary niantso ny mpianany Jesoa, ka nilaza taminy hoe: Mampalahelo ahy ireto vahoaka, fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko, ka tsy manan-kohanina izy: tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina, sao dia reraka eny an-dàlana izy. 33Fa hoy ny mpianany taminy: Aiza no ahazahoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atý an'efitra? 34Ary hoy Jesoa taminy: Manana mofo firy hianareo? Fito, hoy ireo taminy, sy hazandrano madinika vitsy foana. 35Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; 36ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakiny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka. 37Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary sobika fito no feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangonina; 38nefa efatra arivo lahy no nihinana teo afa-tsy ny zaza amam-behivavy. 39Nony nampody ny vahoaka izy, dia niondrana an-tsambo kely ka nankany amin'ny tany Magedana. >