Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Mikea

Mikea toko 7, 14-15,18-20,

       <14Andraso amin'ny tehinao ny vahoakanao
dia ny ondry lovanao,
izay monina mitokana any an'ala,
eo afovoan'i Karmela;
aoka hiraoka any Basàna sy any Galaada izy,
toy ny tamin'ny andro taloha.
       15Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy any amin'ny tany Ejipta,
haneho zava-mahagaga aminy aho.
       18Iza no Andriamanitra tahaka anao, izay manesotra ny fahotana,
ary mamela fahadisoana,
an'izay sisa amin'ny lovanao?
Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany
fa ny mamindra fo no sitrany.
       19Hamindra fo amintsika indray izy
ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika.
Harianao any ambany ranomasina,
ny fahotany rehetra;
       20hampiseho amin'i Jakoba ny fahamarinanao hianao,
sy amin'i Abrahama ny famindram-ponao;
izay efa nianiananao tamin'ny razanay
hatramin'ny andro fahataloha. >