Bokin'i Osea

Toko faha-10

1 Voaloboka mirobona ery Israely, efa mavesatry ny voany. Araka ny habetsahan'ny voany no ampitomboany ny oteliny; araka ny hatsaran'ny taniny, no hatsaran'ny tsangam-bato nataony.

2 Mpihatsaravelatsihy ny fony; ka efa hivesatra ny valin'izany izy. Hanjera ny oteliny izy, handrava ny tsangam-batony.

3 Tsy ho ela no hilazany hoe: Tsy manam-panjaka isika, noho isika tsy natahotra an'ny Tompo; fa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?

7 Levona Samaria; ny mpanjakany dia toy ny tapak'ahitra eo ambonin'ny rano.

8 Ho rava ny fitoerana avon'i Avena, izay fahotan'Israely; handadian'ny tsilo amam-boarointsaka ny oteliny. Ny tendrombohitra hilazany hoe: Sarony izahay! ary ny havoana hataony hoe: Mianjerà aminay!

12 Afafazo araka ny fahamarinana ny voanareo; ataovy araka ny famindram-po ny fijinjanareo; miasà tany vao ho anareo; fa efa fotoana hitadiavana an'ny Tompo izao, mandra-pihaviny handatsaka ny fahamarinana ao aminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2208