Epistola Voalohan'i Md. Piera
1 Piera toko 5
Ny adidin'ny mpifehy sy ny fehezina - Anatra iombonana - Fanaovam-beloma.
1Mihanta amin'ny Pretra eo aminareo aho, dia izaho izay Pretra toa azy koa, sy vavolombelon'ny fijalian'ny Kristy, ary mpiombona amin'ny voninahitra izay haseho koa: 2fahano ny ondrin'Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka hianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitra-po araka an'Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa an-jotom-po; 3tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry; 4ka rahefa miseho ilay Filohan'ny mpiandry, dia handray satro-boninahitra tsy mety simba hianareo.
5Ary hianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena. 6Koa manetre tena eo ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin'ny andro voatendriny; 7apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa izy no miahy anareo.
8Mahalalà onony, ary miambena; fa ny demony fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany. 9Tohero izy, miorena mafy amin'ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.
10Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin'ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rahefa miaritra kelikely hianareo. 11Ho azy irery anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay. Amena.
12Amin'ny alalan'i Silvano izay rahalahy mahatoky fantatro tsara fa ahy, no anoratako ho anareo ireo teny vitsivitsy ireo mba hilaza aminareo sy hampatoky anareo fa ny fahasoavan'Andriamanitra marina tokoa no iorenanareo. 13Manao veloma anareo ny Eglizin'i Babilona, voafidy toy anareo, sy Marka zanako. 14Mifampiarahabà amin'ny fifanoroham-pitiavana.
Ho aminareo rehetra izay ao amin'ny Kristy Jesoa anie ny fiadanana. Amena. >