Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Romana toko 13, 8-10
<8Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna. 9Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsiriri-javatr'olona, mbamin'ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy ao amin'ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 10Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, ka dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany. >