Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 119, 66,71,75,91,125,130,

       <66Ampianaro ny fahalalana marina amam-pahafantarana aho;
fa matoky ny didinao.
       71Soa ho ahy ny naetry
mba hianarako ny didinao.
       75Fantatro, ry Iaveh, fa marina ny fitsaranao;
tamin'ny fahamarinanao no nanetrenao ahy.
       91Araka ny lal├ánao no mbola aharetan'ny zavatra rehetra mandraka androany;
fa manaiky ny fandaharanao ny zavatra rehetra.
       125Mpanomponao aho, ka omeo fahazavan-tsaina,
mba hahalalako ny fampianaranao.
       130Mahazava, ny famelarana ny teninao;
ka mampahazo saina ny olona tsotra. >