Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 50, 1.8.16bc-17.20-21.
Fivavahana ankasitrahan'Andriamanitra.

       1Salamon'i Asafa.
Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany,
hatramin'ny fiposahan'ny masoandro, ka hatramin'ny filentehany.
       8Tsy ny amin'ny soronao no aniniako anao,
fa eo anatrehako mandrakariva ny soronao dorana.
       16Fa amin'ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra:
Ahoana no mba anononanao ny lalàko,
sy anaovanao am-bava ny fanekeko,
       17izay hianao olona mankahala fifehezana,
sy manifika ny teniko any ivohonao?
       20Mipetraka hianao, dia miteny mamely ny rahalahinao,
sady manala baraka ny zanakalahin-dreninao.
       21Izany no nataonao, nefa nangina ihany aho,
ka dia noheverinao fa mitovy aminao aho,
kanjo indro aho hananatra anao, sy hanampatra izany rehetra izany eo imasonao. >