Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 57, 8-9,10-12,

       <8Tafaorina mafy ny foko, ry Andriamanitra, tafaorina mafy ny foko;
hihira aho ary hampanakoako zava-maneno an-kafaliana.
       9Mifohaza hianao, ry voninahitro!
Mifohaza hianareo, ry valihako amana harpako!
Hampifoha ny maraina aho!
       10Hidera anao eo amin'ny vahoaka aho, ry Tompo,
hankalaza anao eo amin'ny firenena aho.
       11Fa mahatakatra ny lanitra ny tsy fivadihanao,
ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
       12Misandratra any ambonin'ny lanitra hianao, ry Andriamanitra,
hamirapiratra ambonin'ny tany rehetra anie ny voninahitrao! >