Boky Voalohan'i Samoela
1 Samoela toko 1, 1
Ny nahaterahan'i Samoela - Ny nanokanana azy ho an'Andriamanitra.
1Nisy lehilahy anankiray tany Ramataima-Sofima, any amin'ny tendrombohitr'i Efraima, atao hoe El-kanà, zanak'i Jerohama, zanak'i Eliò, zanak'i Taohò, zanak'i Sofa; Efrateana izy io.
1 Samoela toko 2, 1
Tonon-kira nataon'i Annà - Ny ratsy nataon'ny zanak'i Helì, sy ny nanaovan-drainy rainazy tamin'izany.
1Ary nivavaka Anna, ka nanao hoe:
Ny foko misomebin-kafaliana amin'ny Tompo,
ny tandroko nasandratry ny Tompo,
ny vavako misokatra hamely ny fahavaloko;
fa mifaly amin'ny famonjenao aho.
2Tsy misy masina tahaka an'ny Tompo,
fa tsy misy afa-tsy hianao no izy;
tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika.
3Aza dia fatra-piteny avonavona
na mamoaka vava midaondaom-poana.
Fa Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra Iaveh,
ary levon-ko tsinontsinona ny asan'ny olombelona.
4Ny olo-mahery tapa-tsipìka
fa ny osa kosa misikina hery.
5Ny voky taloha mikarama mofo,
fa ny noana kosa afa-kanoanana;
ny momba aza miteraka fito,
fa ny maro anaka kosa mihamalazo.
6Iaveh no mahafaty sy mahavelona;
mampidina any amin'ny fonenan'ny maty sy mampiakatra avy any koa.
7Iaveh no mampahantra sy mampanan-karena.
Izy no mampietry sy manandratra.
8Esoriny amin'ny vovoka ny mahantra;
atsangany hiala amin'ny zezika ny tsy manana,
hampiarahiny mitoetra amin'ny mpanjaka,
ary homeny seza fiandrianana be voninahitra ho anjarany.
Fa an'ny Tompo ny andrin'ny tany,
ary teo amboniny no nametrahany ny tany.
9Ny dian'ny olo-masiny hotandremany,
fa ny ratsy fanahy kosa ho very any amin'ny maizina.
Satria tsy ny hery no hahombiasan'ny olona.
10Iaveh! ho torotoro ny fahavalony,
any ambonin'ny lanitra no hikotrohany amin'ireny;
hotsarain'ny Tompo ny vazan-tany rehetra.
Homeny hery ny mpanjakany,
ary hasandrany ny tandroky ny voahosony.
11Dia nandeha Elkanà nody tany an-tranony any Ramà; ary ny zaza nijanona nanompo an'ny Tompo teo anatrehan'i Helì, mpisorona.
12Ary ny zanak'i Helì dia olon'i Beliala, tsy nahalala an'ny Tompo akory; 13fa izao no fanaon'izy mpisorona tamin'ny vahoaka: Raha misy olona manatitra sorona, dia tamy ny mpanompon'ny mpisorona dieny mbola handrahoina ny hena sady mitondra fitrebika telo rantsana izy; 14dia atsobony ao anatin'ny vilany lehibe na nongo na vilany, na vilanin-daoka; ka izay rehetra azon'ny fitrebika avy ao, dia alain'ny mpisorona ho azy. Ataony toy izany avokoa ny Israelita tonga ao Silao. 15Mbola tsy voadoro akory ny sabora, dia tonga ny mpanompon'ny mpisorona, milaza amin'izay manatitra sorona hoe: Omeo hena aho, hatsatsika ho an'ny mpisorona, fa tsy handray hena masaka aminao izy, fa ny mbola manta ihany. 16Ary raha miteny aminy ny olona manao hoe: Aoka aloha hodorana hanetona ny sabora, vao izay vao maka izay tianao hianao, dia valian'ity mpanompo hoe: Tsia, omeo ankehitriny izao ihany, fa raha tsy izany dia halaiko an-keriny. 17Ka dia heloka be vava teo anatrehan'ny Tompo ny an'ireo zatovo ireo, satria nahatarika fanaratsiana ny fanatitra ho an'ny Tompo izany olona izany.
18Nanao ny fanompoana teo anatrehan'ny Tompo Samoela, ary efoda rongony no notafian'ny zaza. 19Nanaovan-dreniny akanjo kely izy, nentiny ho azy isan-taona, rahefa miara-miakatra amin'ny vadiny izy, hanatitra ny sorona fanao isan-taona. 20Ary Helì nito-drano an'i Elkanà mivady ka nanao hoe: Homen'ny Tompo taranaka amin'ity vehivavy ity anie hianao noho ny fanomezana nataony ho an'ny Tompo. Dia lasa nody izy ireo. 21Novangian'ny Tompo Annà, ka nanana anaka, dia niteraka telo lahy sy roa vavy. Ary Samoela kely nitombo teo anatrehan'ny Tompo.
22Efa antitra dia antitra Helì, ary nandre ny nataon'ny zanany tamin'Israely rehetra izy, sy ny nandriany tamin'ny vehivavy nanompo teo am-baravaran'ny trano lay fihaonana, 23ka nanao taminy hoe: Ahoana no anaovanareo izany zavatra izany? Fa reko amin'izao vahoaka rehetra izao ny ratsy ataonareo. 24Tsia, anaka, tsy tsara ny vavam-bahoaka reko; fa mampanota ny vahoakan'ny Tompo. 25Raha olombelona no anotan'olombelona dia Andriamanitra no mitsanga-ko elanelam-panahy, fa raha Iaveh kosa no anotàny, iza no hifona ho azy? Tsy nihaino ny feon-drainy anefa izy ireo fa ny hahafaty azy no sitra'Iaveh. 26Samoela kely kosa, nitombo nitombo ihany, ary sitrak'Iaveh sy ny olombelona.
27Ary nisy olon'Andriamanitra anankiray tonga tao amin'i Helì ary nilaza taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Tsy efa niseho mazava tamin'ny ankohonan-drainao va aho, fony izy mbola tany Ejipta tao an-tranon'i Faraona? 28Nofidiko tamin'ny fokon'Israely rehetra izy ho mpisoroko, hiakatra amin'ny oteliko, handoro zava-manitra, hitafy ny efoda eo anatrehako, ary nomeko ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon'ny zanak'Israely amin'ny afo. 29Ka ahoana no dia nohosenareo amin'ny tongotrareo ny sorona amam-panatitra ho ahy izay nodidiako haterina ao amin'ny fonenako? Ary nahoana no dia ny zanakao indray no omenao voninahitra mihoatra noho izaho, fa anatavezanareo tena ny tsara indrindra amin'ny fanatitra rehetra avy amin'Israely vahoakako. 30Noho izany, izao no tenin'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy Iaveh. Fa izay manaja ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira ahy hotsiratsiraiko koa. 31Indro tonga ny andro hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin'ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy tratra antitra intsony amin'ny taranakao. 32Hianao hahita ny fonenanao voaetry amin'ny fotoana hamenoan'Andriamanitra soa an'Israely: ary amin'ny taranakao tsy hisy lehilahy tratra antitra intsony, na oviana na oviana. 33Tsy hofongorako tsy ho eo amin'ny oteliko avokoa ny lehilahy rehetra amin'ny taranakao mba hahajemby ny masonao sy handreraka ny fonao, nefa ho faty amin'ny taonan'ny fahatanjahany avokoa ny solofo rehetra amin'ny taranakao. 34Ary ho famantaranao izany, ny hanjò ny zanakao roa lahy, dia Ofnì sy Finea, fa ho indray andro maty izy roa lahy. 35Ary hanangana mpisorona mahatoky aho, izay hanao araka ny foko sy ny fanahiko ary hanorenako trano mafy orina izy, ary handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay. 36Ka ho avy hiankohoka eo anatrehany avokoa izay sisa tavela amin'ny taranakao, hangataka lela vola na sombi-mofo kely, ary hiteny hoe: Raha sitrakao mba omeo anjara kely eo amin'ny raharaham-pisoronana aho, mba hahazoako mofo kely hohanina. >