Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-19

19 Nony niala teo Elia, dia nahita an'i Elisea, zanak'i Safata niasa tany. Omby efatra amby roapolo tsiroaroa no teo alohany, ka teo amin'ny faharoa ambin'ny folo laharana izy. Nanatona azy Elia sady natsipiny taminy ny kapaotiny.

20 Nilaozan'i Elisea ny ombiny, dia nihazakazaka nanaraka an'i Elia izy, nanao hoe: Aoka handeha hanoroka an'i dada sy ineny aho, dia hanaraka anao. Ary hoy Elia taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho? 21 Dia niala teo aminy Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan'ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin'ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an'i Elia sy nanompo azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0361