Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Piera

1 Piera toko 4, 13-16
<13fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, mba hanananareo anjara amin'ny fifaliana sy firavoravoana koa amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny 14Sambatra hianareo raha tevatevaina noho ny anaran'ny Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin'ny voninahitra sy ny fahefana, dia ny Fanahin'Andriamanitra. 15Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan'olona; 16fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany, dia aoka tsy ho menatra amin'izany izy, fa vao mainka hanome voninahitra an'Andriamanitra aza, noho izany anarana izany. >