Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'i Samoela

1 Samoela toko 16, 1b
Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjaka, sy niantsoana azy ho any amin'i Saola.

       1Ka hoy Iaveh tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hitomanianao an'i Saola, kanefa aho manary azy tsy ho mpanjaka amin'Israely intsony? Fenoy diloilo ny tandrokao, dia mandehana fa irahiko ho amin'Isaï any Betleema hianao, satria amin'ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako. >