Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-21

2 Lasa nankany Nobe amin'i Akimeleka mpisorona Davida ka taitra mafy Akimeleka nitsena an'i Davida nanao taminy hoe: Nahoana ity hianao no honjohonjonao irery, fa tsy misy miaraka aminao?

3 Dia hoy ny navalin'i Davida tamin'i Akimeleka mpisorona: Nomen'ny mpanjaka didy aho, nataony hoe; Aoka tsy hisy olona hahalala ny raharaha anirahako anao, sy nanomezako didy anao. Ka nomeko fotoana any ananona any ny olona momba ahy. 4 Ary amin'izao kosa inona no vonona eo am-pelatànanao izao? Omeo mofo dimy aho eto an-tànako na izay sendra hita. 5 Ary hoy ity mpisorona namaly an'i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana eto amiko, mofo voahasina no misy; tsy maintsy ho nifady vehivavy ahay anefa ny olona. 6 Ka hoy Davida namaly ny mpisorona nanao hoe: Hatramin'ny nandehanako hateloana izay no efa nifady vehivavy izahay, sady masina koa ny kapaoky ny olona miaraka amiko, ka na tsy masina aza ny dia, ny amin'ny momba ny kapaoka kosa dia voahasina. 7 Dia nomen'ny mpisorona mofo voahasina izy, fa tsy nisy mofo hafa teo afa-tsy ny mofo aseho, izay efa nesorina teo anoloan'ny Tompo mba hosoloana ny mofo mafana amin'ny fotoana fanesorana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0509