Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Faharoan'ny Mpanjaka

2 Mpanjaka toko 4
Fahagagana nataon'i Elisea: ny diloilon'ilay vehivavy mpitondratena - Ilay vehivavy Sonamita sy ny zanany - Ilay hanina mahafaty tao am-bilany - Ny mofo lafarina roapolo.

       1Nisy vehivavy anankiray vadin'ny iray amin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisea, nanao hoe: Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa natahotra an'ny Tompo ny mpanomponao ary tonga haka ny zanako roa ho andevony ny tompon-trosa izao.
       2Dia hoy Elisea taminy: Inona no azoko atao ho anao? Lazao hoe izay anananao ao an-trano. Ary hoy ny navalin-dravehivavy: Tsy manana na inona na inona ao an-trano ny ankizivavinao afa-tsy diloilo iray tavoara monja. 3Ka hoy izy: Mandehana mindran-tavoara amin'ny mifanolo-bodirindrina aminao rehetra, dia tavoara foana, ka aza atao vitsy loatra. 4Ary rahefa tafiditra hianao, dia mirindrina aman-trano ao, hianao sy ny zanakao, ka aidino amin'izay tavoara rehetra eo ny diloilo, ary isaky ny misy feno dia atokany. 5Dia nandao azy ravehivavy; ary nirindrina aman-trano tao izy sy ireo zanany, ka ireo zanany moa nitondra ny tavoara nankeo aminy, izy kosa nampidina ny diloilo. 6Rahefa feno ny tavoara dia hoy izy tamin-janany: Mbola itondray tavoara aho. Fa hoy ny navalin'ny zanany: Tsy misy tavoara intsony. Dia nitsahatra ny diloilo. 7Koa lasa nilaza izany tamin'ilay olon'Andriamanitra izy ary hoy izy: Mandehana amidio ny diloilo hanefanao ny trosan'olona aminao, dia hivelomanao sy ny zanakao ny sisa.
       8Indray andro Elisea nandalo tany Sonama. Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao niangavy mafy taminy hisakafo, ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisafako. 9Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy: Indro fantatro fa olo-masin'Andriamanitra iny mpandalo eto amintsika matetika iny. 10Ka handeha isika hanao efitrano kely avo manolotra ny rindrina, ho azy, dia hasiantsika farafara iray, latabatra iray, seza iray, ary fanaovan-jiro iray ao, ho azy, mba hihatahany isaky ny tonga aty amintsika izy. 11Dia tonga tao Sonama Elisea indray andro ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano avo sy nandry tao. 12Ary hoy izy tamin'i Giezi mpanompony: Antsoy ilay vehivavy Sonamita. Dia nantsoin'i Giezi ka nandroso nankeo anatrehany. 13Ary hoy Elisea tamin'i Giezi: Lazao azy kely izao: Indro nikarakara anay tamin'izao zavatra rehetra izao hianao, ka inona kosa no mety hatao ho anao? Tianao va ny hiresahako amin'ny mpanjaka na amin'ny filohan'ny tafika mba ho anao? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Efa monina eto amin'ny fireneko aho. 14Ary hoy Elisea: Ka inona ary no hatao ho azy? Dia hoy ny navalin'i Giezi: Zanaka no tsy ananany ary ny lahy efa antitra. 15Ary hoy Elisea: Antsoy ary izy. Dia nantsoiny izy ka nijanona teo am-baravarana; 16ka hoy Elisea taminy: Raha afaka herintaona amin'izao fotoana izao dia hisafosafo zazalahy hianao. Fa hoy izy: Tsia, aza dia laingainao ny ankizivavinao, ry olon'Andriamanitra tompoko. 17Ary nanana anaka ravehivavy, ka tera-dahy nony afaka herintaona tamin'izany fotoana izany, araka ny voalazan'i Elisea taminy.
       18Dia nihalehibe ny zaza. Ary indray andro, nankany amin-drainy tany amin'ny mpijinja vary izy, 19ka nanao tamin-drainy hoe: Izany an-dohako! Izany an-dohako! Dia hoy rainy tamin'ny mpanompony: Ento any amin-dreniny izy. 20Nony nentin'ny mpanompo sy nateriny tany amin-dreniny ilay zaza, dia nipetraka teo am-pofoan-dreniny mandra-pitataovovonana ny andro ary tamin'izay dia maty izy. 21Niakatra nampandry azy teo amin'ny farafaran'ilay olon'Andriamanitra ravehivavy, dia narindriny aman-trano tao ny zaza, ary nivoaka izy, 22dia niantso ny lahy, nanao hoe: Aza mahafady, alefaso mankaty amiko kely ny anankiray amin'ny mpanomponao sy ny anankiray amin'ny ampondravavy, hankanesako faingana amin'ilay olon'Andriamanitra, dia hiverina aho. 23Fa hoy ny lahy: Nahoana no hankanesanao any anio? Tsy tsinam-bolana izao, tsy andro sabata akory? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Aza manana ahiahy. 24Dia nasainy nasiana lasely ny ampondravavy, ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Tariho làlana aho ka miaingà ary aza mampijanona ahy any an-dàlana, raha tsy efa izaho no nilaza taminao. 25Dia lasa izy, nankany amin'ilay olon'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Vao nahatazana azy teny lavidavitra teny ity olon'Andriamanitra dia nanao tamin'i Giezi mpanompony hoe: Indrý ilay vehivavy Sonamita, 26ka mandehana faingana, tsenao izy, ary ilazao hoe: Tsara ihany va hianao? Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zanakao? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Eny. 27Nony vao tonga tany amin'ity olon'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia namihina ny tongony. Nanatona hanifika azy Giezi, fa hoy ny olon'Andriamanitra: Avelao izy, fa difotr'alahelo ny fony, ary nafenin'ny Tompo tamiko izany, fa tsy nampahalalainy ahy. 28Dia hoy ravehivavy: Moa ve nangata-jaza tamin'ny tompoko aho? Tsy izao va no nataoko: Aza laingainao aho? 29Ary hoy Elisea tamin'i Giezi: Misikìna hianao, ento eny an-tànanao ny tehiko, dia mandehana. Ka raha mifanena amin'olona aza miarahaba azy; raha arahabain'olona aza mamaly azy. Dia apetraho eo amin'ny tavan'ny zaza ny tehiko, 30Fa hoy ny renin'ny zaza: Velona Iaveh! ary velona koa ny fanahinao! ka tsy ilaozako hianao. Koa nitsangana Elisea dia nanaraka azy. 31Nialoha azy ireo Giezi nametraka ny tehina tamin'ny tavan'ilay zaza nefa tsy nisy feo na famantaran'ny naharenesany. Ka niverina hitsena an'i Elisea izy, nilaza izany taminy, nanao hoe: Tsy nahatsiaro akory ny zaza. 32Nony tonga tao an-trano Elisea, indro maty ilay zaza ary nandry teo am-parafarany.
       33Nony tafiditra izy dia nirindrina aman-trano tao izy roa lahy ary nivavaka tamin'ny Tompo Elisea. 34Dia niakatra nandry teo ambonin'ilay zaza Elisea: ny vavany nataony tamin'ny vavany, ny masony nataony tamin'ny masony, ny tànany nataony tamin'ny tànany, ny tenany niampatra teo amboniny, ka nihanafana ny tenan'ny zaza. 35Dia niala teo izy sy nandehandeha eran'ny trano, izay vao niakatra indray niampatra teo ambonin'ny zaza, ka nievina impito ny zaza, dia nihiratra ny mason'ny zaza. 36Dia niantso an'i Giezi Elisea nanao hoe: Antsoy ilay Sonamita. Nony nantsoiny izy dia nankao amin'i Elisea, ka hoy Elisea taminy: Raiso ny zanakao. 37Nandroso niankohoka tamin'ny tongony ravehivavy sady nihohoka tamin'ny tany, vao nandray ny zanany sy lasa nivoaka.
       38Niverina nankany Galgalà Elisea, ary nisy mosary tamin'ny tany. Nipetraka teo anatrehany ny zanaky ny mpaminany tamin'izany, ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, dia mahandroa rò ho an'ny zanaky ny mpaminany. 39Ny iray tamin'izy ireo kosa nivoaka hitsongo anana tany an-tsaha, ka nahita sarisarim-boaloboka maniry ho azy dia nioty voatavomontan'ala tamin'io izy, nahafeno ny lambany. Nony tafaverina izy dia notetehiny madinika tao anaty vilany nisy ny hanina ireny, nefa tsy nahalala izany izy ireo. 40Kanjo nony noloarana hohanin'izy ireo izany, vao nihinana izy ireo, dia nikiakiaka nanao hoe: Misy mahafaty ao am-bilany, ry olon'Andriamanitra ô! ka tsy afa-nihinana izy ireo. 41Dia hoy Elisea: Itondray lafarina aho. Ary narotsany tao am-bilany izany, dia hoy izy: Arosoy amin'izao hohanin'ny olona. Izay vao tsy nisy nampaninona intsony tao am-bilany.
       42Nisy lehilahy anankiray avy any Baala-Salira nitondra mofo natao tamin'ny santabary ho an'ity olon'Andriamanitra, dia mofo orja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasakany; ka hoy Elisea: Omeo ny olona hohaniny. 43Fa ny navalin'ny mpanompony: Hatao ahoana no fandroso izany eo anatrehan'ny olona zato? Fa hoy Elisea: Omeo ireo olona ireo hohaniny; fa izao no lazain'ny Tompo: Hihinana ny olona ary mbola hisy sisa tsy lany. 44Dia norosoana izy ireo ka nihinana, nefa mbola nisy sisa tsy lany araka ny tenin'ny Tompo. >