Bokin'i Akjea

Toko voalohany

1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjaka, tamin'ny volana fahenina, andro voalohan'ny volana, no nahatongavan'ny tenin'ny Tompo, tamin'ny alàlan'i Akjea, mpaminany, tamin'i Zorobabela, zanak'i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin'i Jesoasy, zanak'i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:

2 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Ity firenena ity manao hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana, ny fotoana hanaovana ny tranon'ny Tompo indray. 3 Ary tonga ny tenin'ny Tompo, tamin'ny alàlan'i Akjea mpaminany manao hoe: 4 Ary ho anareo kosa moa dia fotoana hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina, amin'izao aharavan'io trano io izao?

5 Koa ankehitriny izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Diniho tsara ny làlanareo.

6 Namafy be hianareo, fa nijinja kely; mihinana, fa tsy ampy hahavoky; misotro, fa tsy ampy hahafa-po; mitafy, fa tsy ampy hanafana; ary ny mpikarama mahazo ny karama hatao an-kitapo loaka.

7 Izao no lazain'ny Tompo'ny tafika: Diniho tsara ny làlanareo.

8 Mandehana any an-tendrombohitra ka mitondrà hazo, ary ataovy ny trano; hankasitrahako sy hahazoako voninahitra izany, hoy Iaveh.

9 Nanantena be hianareo, nefa tsy nisy hafa-tsy kely foana; nanangona ny vokatrareo, nefa notsofiko izany. Nahoana? - teny marin'ny Tompon'ny tafika. Satria ny tranoko mbola rava; nefa hianareo isany, samy maimay be ihany ny amin'ny tranony avy.

10 Noho izany ny lanitra tsy nandefa ny ando ho anareo, ary ny tany mandà tsy hanome ny vokany.

11 Niantso ny fahamainana aho, ho amin'ny tany sy ny tendrombohitra, ho amin'ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, sy izay rehetra mety ho vokatry ny tany, mbamin'ny olona sy ny biby, ary asan-tànana rehetra.

12 Tamin'izay Zorobabela, zanak'i Salatiela, sy Jesoasy, zanak'i Josedeka, mpisorona lehibe, mbamin'ny vahoaka sisa rehetra nihaino ny feon'ny Tompo Andriamaniny, sy ny tenin'i Akjea, mpaminany, araka ny hafatra nomen'ny Tompo Andriamaniny azy, ka natahotra ny vahoaka teo anatrehan'ny Tompo. 13 Ary Akjea, irak'Iaveh, araka ny didin'ny Tompo, niteny tamin'ny vahoaka, nanao hoe: Momba anareo aho, - teny marin'ny Tompo. 14 Ary notairin'ny Tompo ny fanahin'i Zorobabela, zanak'i Salatiela, governora tany Jodà, ny fanahin'i Jesoasy, zanak'i Josedeka, mpisorona lehibe, sy ny fanahin'ny vahoaka sisa rehetra; ka dia tonga izy ireo ary niasa tamin'ny tranon'ny Tompon'ny tafika Andriamaniny, 15 tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahenina, taona faharoa, nanjakan'i Dariosa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0474