Bokin'i Akjea

Toko faha-2

1 Tamin'ny volana fahafito, andro faharaika amby roapolon'ny volana, tonga ny tenin'ny Tompo, tamin'ny alàlan'i Akjea, mpaminany, nanao hoe:

2 Lazao amin'i Zorobabela, zanak'i Salatiela, governora any Jodà, sy amin'i Jesoasy zanak'i Josedeka, mpisorona lehibe, ary ny vahoaka sisa rehetra, ataovy hoe: 3 Iza aminareo sisa velona, no nahita ity trano ity tanatin'ny voninahiny taloha, sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny? Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va ity?

4 Ary ankehitriny matokia, ry Zorobabela, - teny marin'ny Tompo. Matokia, ry Jesoasy, zanak'i Josedeka, mpisorona lehibe! Matokia hianareo vahoaka rehetra amin'ny tany, - teny marin'ny Tompo, - ary miasà! fa momba anareo aho, - teny marin'ny Tompon'ny tafika.

5 Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo, fony hianareo nivoaka avy tany Ejipta; ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko; koa aza matahotra akory.

6 Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Indray mandeha ihany, sady tsy ho ela, no mba hanozongozonako ny lanitra sy ny tany, - mbamin'ny ranomasina sy ny tanety.

7 Hanozongozona ny firenena rehetra aho ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Iavehn'ny tafika.

8 Ahy ny volafotsy, ahy ny volamena, - teny marin'ny Tompon'ny tafika.

9 Ho lehibe ny voninahitr'ity trano ity, ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany; ary eto amin'ity fitoerana ity no hametrahako ny fiadanana, - teny marin'ny Tompon'ny tafika.

10 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahasivy, taona faharoa, nanjakan'i Dariosa, tonga ny tenin'ny Tompo, tamin'ny alalan'i Akjea, mpaminany, nanao hoe:

11 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Mangataha amin'ny mpisorona mba hanome valy mahatapaka, manaova hoe: 12 Raha misy olona mitondra hena voahasina amin'ny sisin-dambany, ka misy mofo na zavatra nandrahoina, na divay, na diloilo, na zava-pihinana hafa, voakasiny amin'izany sisin-dambany izany, moa ho voahasina va ireo zavatra ireo? Dia namaly ireo mpisorona nanao hoe: Tsia. - 13 Ary Akjea: Raha olona voaloto amim-paty kosa no mikasika an'izany, ho voaloto va izany? Namaly ny mpisorona nanao hoe; Ho voaloto izany. - 14 Dia niteny indray Akeja, nanao hoe: Toy izany ity vahoaka ity, toy izany ity firenena ity eo anatrehako, - teny marin'ny Tompo; toy izany ny asa rehetra ataon'ny tànany; izay ateriny eo dia maloto. 15 Ary ankehitriny, hevero ny hatramin'izao anio izao no mankany; dia fony mbola tsy nisy vato nifanongoa, natao teo amin'ny tempolin'ny Tompo.

16 Tamin'izany, ny nankamin'ny atontam-bary roapolo mifatra, tsy nahazo hafa-tsy folo; ny nankamin'ny famiazam-boaloboka hanovo dimampolon'ny famarana, tsy nahazo hafa-tsy roapolo.

17 Nasiako tamin'ny vary maty fotsy, sy ny ahi-dratsy aman-kavandra hianareo; nasiako avokoa ny asan-tananareo; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.

18 Koa diniho ny hatramin'izao anio izao no mankany, ny hatramin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahasivy, ka hatramin'ny andro nanorenana ny tempolin'ny Tompo, diniho!

19 Mbola nisy voa famafy va tao an-tsompitra? Na ny voaloboka aza, na ny aviavy, na ny ampongabendanitra, na ny oliva, tsy misy nahavokatra kely akory; fa hatramin'izao andro izao kosa, dia hotahiko hianareo.

20 Tonga fanindroany tamin'i Akjea ny tenin'ny Tompo, tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana nanao hoe:

21 Lazao amin'i Zorobabela, governora any Jodà, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany; 22 haongako ny seza fiandrianan'ny fanjakana, hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena; hazerako ny kalesa fiadiana mbamin'ny mpitaingina azy; ny soavaly mbamin'ny mpitaingina azy samy ho lavon'ny sabatry ny namany avy.

23 Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, halaiko hianao, ry Zorobabela, zanak'i Salatiela, ry mpanompoko, - teny marin'ny Tompo, ka hataoko ho toy ny fanombohan-kase; satria efa voafidiko hianao, - teny marin'ny Tompon'ny tafika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0611