Bokin'i Amosy

Toko voalohany

1 Tenin'i Amosy, isan'ireo mpiandry ondry tao Tekoe. Izay hitany momba an'Israely, tamin'ny andron'i Oziasa, mpanjakan'i Jodà, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasa, mpanjakan'Israely, roa taona talohan'ny horohoron-tany. Hoy izy:

2 Hierona avy ao Siona Iaveh; ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema izy; ny tany fiandrasan'ny mpiandry ondry, hisaona; ary ny tampon'i Karmela, ho maina.

3 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Damasa, ary noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria izy ireo nanorotoro an'i Galaada tamin'ny ambarambana vy,

4 dia handefasako afo ny tranon'i Hazaely ka handevona ny lapan'i Ben-Hadada izany.

5 Homontsaniko ny hidin'i Damasa, haringako ny mponina ao Bikata Avena, ny mitana ny tehim-panjakana any Beta-Edena; ary ho entina babo ho any Kira ny vahoaka any Siria, hoy Iaveh.

6 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Gazà, sy noho ny efatra, - tsy hahemotro ny didy. Satria olona babo an'andiany mihitsy no nentiny nataony sesitany mba hatolony ho any Edoma,

7 dia handefa ny afo ao anatin'ny mandan'i Gazà aho ka handevona ireo lapany izany;

8 haringako ny mponina rehetra ao Azota, sy izay mitana tehim-panjakana ao Askalona; dia hafotitro amin'i Akkarona indray ny tànako; ka ho faty izay sisa amin'ny Filistina, hoy ny Tompo Iaveh.

9 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Tira sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanolotra olona babo an'andiany mihitsy ho any Edoma izy, fa tsy nahatsiaro ny fanekem-pirahalahiana,

10 dia handefa ny afo ao ambonin'ny mandan'i Tira aho, ka handevona ireo lapany izany.

11 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Edoma, sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany,

12 dia handefa afo ho ao Temàna aho ka handevona ny lapan'i Bosrà izany.

13 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'ny taranak'i Ammona, sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria notatahany ny kibon'ny vehivavy bevohoka teo Galaada, mba hanitarany ny faritaniny,

14 hampirehitra afo ao ambonin'ny mandan'i Rabaha aho, ka handevona ny lapany izany, eo amin'ny akoran'ady toy ny amin'ny andro iadiana, sy eo amin'ny rivo-mahery mitambolombolona amin'ny andron'ny tafio-drivotra.

15 Ary ho lasan-ko babo ny mpanjakany, dia izy sy ireo mpanapaka ao aminy koa, hoy Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1218