Bokin'i Amosy

Toko faha-2

1 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Moaba, sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nodorany ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma, nataony zary sokay,

2 dia handefa ny afo ho ao amin'i Moaba aho, ka handevona ny lapan'i Kariota izany; ary Moaba ho faty ao anatin'ny tabataba be, sy ny akoran'ady, mbamin'ny feon-trompetra.

3 Hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy ary hovonoiko miaraka aminy avokoa ny mpanapaka ao aminy, hoy Iaveh.

4 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Jodà, sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanary ny lalàn'ny Tompo izy, sady tsy nitandrina ny didiny, ka nety havilivilin'ny sampin-daingany, dia ireo izay narahan'ny razany,

5 dia handefa ny afo ho ao amin'i Jodà aho ka handevona ny lapan'i Jerosalema izany.

6 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'Israely sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria namidiny vola ny marina; ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;

7 satria iriny mafy ny mahita ny vovo-tany eo an-dohan'ny olona ory; sy ataony izay hiketrahan'ny làlan'ny madinika; satria olo-mianaka izy samy mandeha amin'ny zazavavy iray ihany mba handotoany ny anarako masina;

8 satria lamba azony tamin'ny tsatòka no iamparany eny anilan'ny otely rehetra eny; ary ny divay avy amin'izay nosaziny lamandy no sotroiny ao an-tranon'Andriamaniny.

9 Teo anoloan'izy ireo anefa no nandringanako ny Amoreana izay avo be hoatra ny sedera, sy matanjaka hoatra ny oaka. Noravako avokoa ny voany teny ambony, sy ny fakany teo ambany.

10 Nitondra anareo niakatra avy any amin'ny tany Ejipta anefa aho, sy nitari-dàlana anareo, efapolo taona, tany an'efitra, mba hametrahako anareo ho tompon'ny tanin'ny Amoreana.

11 Nanangana mpaminany, tamin'ireo zanakalahinareo aho, sy nazareana tamin'ireo zatovonareo, - sa tsy izany va, ry zanak'Israely? - teny marin'ny Tompo.

12 Kanjo ny nazareana nampisotroinareo divay; ary ny mpaminany, nomenareo didy hoe: Aza maminany!

13 Indro aho efa hanosihosy anareo, hoatra ny fanosihosin'ny sarety raha feno amboara.

14 Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra; ary ny matanjaka, tsy hahita ny heriny intsony; ary ny mahery fo, tsy hahavonjy ny ainy;

15 ary ny mpahay tsipìka tsy hahatohitra; ary ny faingan-tongotra, tsy ho afa-mitsoaka; ary ny mpitaingin-tsoavaly, tsy hahavonjy ny ainy.

16 Ary ny mahery fo amin'ny mahery handositra miboridana amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1216