Bokin'i Amosy

Toko faha-3

1 Henoy izao teny izao notononin'ny Tompo ny aminareo, ry zanak'Israely, ny amin'ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin'ny tany Ejipta, - dia ireto hoe:

2 Hianareo irery no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany; ka izany no hamaizako anareo noho ny helokareo rehetra.

3 Miara-mandeha va ny olona roa, raha tsy efa nifanaiky izy?

4 Mierona any an'ala va ny liona, raha tsy efa nahazo remby? Maneno any an-davany va ny feon'ny liona tanora, raha mbola tsy nahazo na inona na inona akory?

5 Latsaka amin'ny fandrika eo amin'ny tany va ny fody, raha tsy misy hanim-pandrika ho azy ao? Moa miainga avy eo amin'ny tany va ny fandrika, raha tsy efa nahazo zavatra izy?

6 Trompetra va no haneno ao an-tanàna, ka tsy hivadi-po ny vahoaka? Misy loza tonga amin'ny tanàna va, raha tsy Iaveh no nahatonga izany?

7 Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh, raha tsy efa nanambara ny heviny miafina tamin'ny mpaminany, mpanompony.

8 Efa nierona ny liona, ka zovy no tsy hatahotra? Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?

9 Ampandreneso eo ambonin'ny lapan'i Azota izao teny izao, ary eo ambonin'ny lapan'ny mpanjakan'i Ejipta koa, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria hianareo, ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy, sy izato fahasiahana ao anatiny.

10 Ary tsy mahay manaraka ny hitsiny izy ireo, - teny marin'ny Tompo, dia ireo izay mampiavosa ny fahasiahana amam-pandrobana ao anatin'ny lapany.

11 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Inty ny fahavalo, manodidina ny tany izy, ka ny herinao hendahany aminao; ary ny lapanao ho voaroba.

12 Izao no lazain'ny Tompo: Toy ny fanatsoaky ny mpiandry ondry, avy eo am-bavan'ny liona ny ranjo roa na tendron-tsofina iray, no famonjy ny zanak'Israely izay mipetraka ao Samaria, eo an-joron'ny sezabe, eo ambonin'ny ondana avy any Damasa.

13 Mihainoa hianareo ka lazao marina eny amin'ny taranak'i Jakoba, - teny marin'ny Tompo Iaveh, Andriamanitry ny tafika:

14 Amin'ny andro hamaliako an'Israely noho ny fandikany ny lalàna, no hamaliako ny momba an'ireo otely ao Betela koa; hokapaina ny tandroky ny otely ka hianjera amin'ny tany.

15 Hasiako ny trano ririnina aman-trano fahavaratra; hosimbana ny trano ivoara, ary horavana ny trano maro, - teny marin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0855