Bokin'i Amosy

Amosy toko 3
Ny helok'Israely - Famaizana azy.

       1 Henoy izao teny izao notononin'ny Tompo
ny aminareo, ry zanak'Israely,
ny amin'ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin'ny tany Ejipta, - dia ireto hoe:
       2 Hianareo irery no fantatro
tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany;
ka izany no hamaizako anareo
noho ny helokareo rehetra.
       3 Miara-mandeha va ny olona roa,
raha tsy efa nifanaiky izy?
       4 Mierona any an'ala va ny liona,
raha tsy efa nahazo remby?
Maneno any an-davany va ny feon'ny liona tanora,
raha mbola tsy nahazo na inona na inona akory?
       5 Latsaka amin'ny fandrika eo amin'ny tany va ny fody,
raha tsy misy hanim-pandrika ho azy ao?
Moa miainga avy eo amin'ny tany va ny fandrika,
raha tsy efa nahazo zavatra izy?
       6 Trompetra va no haneno ao an-tanàna,
ka tsy hivadi-po ny vahoaka?
Misy loza tonga amin'ny tanàna va,
raha tsy Iaveh no nahatonga izany?
       7 Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh,
raha tsy efa nanambara ny heviny miafina
tamin'ny mpaminany, mpanompony.
       8 Efa nierona ny liona, ka zovy no tsy hatahotra?
Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?
       9 Ampandreneso eo ambonin'ny lapan'i Azota izao teny izao,
ary eo ambonin'ny lapan'ny mpanjakan'i Ejipta koa,
ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria hianareo,
ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy,
sy izato fahasiahana ao anatiny.
       10 Ary tsy mahay manaraka ny hitsiny izy ireo, - teny marin'ny Tompo,
dia ireo izay mampiavosa ny fahasiahana amam-pandrobana
ao anatin'ny lapany.
       11 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
Inty ny fahavalo, manodidina ny tany izy,
ka ny herinao hendahany aminao;
ary ny lapanao ho voaroba.
       12 Izao no lazain'ny Tompo:
Toy ny fanatsoaky ny mpiandry ondry, avy eo am-bavan'ny liona
ny ranjo roa na tendron-tsofina iray,
no famonjy ny zanak'Israely izay mipetraka ao Samaria,
eo an-joron'ny sezabe, eo ambonin'ny ondana avy any Damasa.
       13 Mihainoa hianareo ka lazao marina eny amin'ny taranak'i Jakoba,
- teny marin'ny Tompo Iaveh, Andriamanitry ny tafika:
       14 Amin'ny andro hamaliako an'Israely noho ny fandikany ny lalàna,
no hamaliako ny momba an'ireo otely ao Betela koa;
hokapaina ny tandroky ny otely
ka hianjera amin'ny tany.
       15 Hasiako ny trano ririnina
aman-trano fahavaratra;
hosimbana ny trano ivoara,
ary horavana ny trano maro, - teny marin'ny Tompo.