Bokin'i Amosy

Toko faha-4

1 Henoinareo izao teny izao, ry ombivavin'i Basàna, izay eny an-tendromohitr'i Samaria, dia hianareo izay mampahory ny osa, sy manosihosy ny tsy manana, hianareo izay milaza amin'ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika!

2 Nianiana tamin'ny fahamasinany, ny Tompo Iaveh: Indro ho avy aminareo ny andro hipaohana anareo amin'ny farango, sy ny taranakareo, amin'ny firombaka.

3 Hivoaka eo amin'ny banga samy amin'izay hitsiny avy hianareo, dia horoahina ho any Armona, - teny marin'ny Tompo.

4 Mankanesa any Betela ka manotà; sy any Galgala, ka mampitomboa ny fahotana! Ento isa-maraina ny soronareo; ary isan-kateloana, ny fahafolon-karenareo!

5 Ataovy manetona ny fanati-pisaorana tsy misy lalivay; miantsoa ny fanatitra an-tsitra-po, ka torio am-pahibemaso izany! Fa izany no tianareo, ry zanak'Israely, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

6 Koa noho izany nataoko madio nify hianareo teny an-tanànanareo rehetra teny sy mosaren-kanina eny amin'ny fonenanareo rehetra; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.

7 Koa ny orana nahantoko tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa vao ho fararano; tamin'ny tanana iray nataoko avy ny orana; fa tamin'ny tanana iray hafa kosa, tsy nalatsako ny orana; ny faritany iray tondrahan'ny orana; fa ny faritany iray hafa kosa, izay tsy nilatsahan'ny orana dia nihamaina.

8 Tanàna roa aman-telo no indray miezaka mankany an-tanàna hafa, mba hisotro rano, kanjo tsy mety afa-ketaheta ireny; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.

9 Nasiako hianareo, tamin'ny fahalovan'ny vary sy tamin'ny tomboka; ny zaridainanareo maro, ny tanim-boalobokareo, sy ny aviavy aman'olivanareo, dia ny valala no nihinana izany, nefa tsy niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.

10 Hianareo, nanirahako ny pesta; toy ny fisian'izany any Ejipta; novonoiko tamin'ny sabatra ny zatovonareo, ary tamin'izay indrindra no nisamborana ny soavalinareo; nampanetona ny hamaimbon'ny tobinareo aho ka tonga eo am-bavoronareo; nefa tsy niverina tamiko hianareo, - teny marin'ny Tompo.

11 Nahatonga fanakorokoroana ao anatinareo aho toy ny nanakorokoroan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ary hianareo izany, dia toy ny forohana voatsoaka tamin'ny hain-trano; nefa tsy niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.

12 Ka noho izany, izao no hataoko aminao, ry Israely. Koa rahefa izany no hataoko aminao, dia miomàna amin'izany fihaonana amin'Andriamanitrao hianao, ry Israely.

13 Satria izy no namorona ny tendrombohitra, sy nahary ny rivotra; izay mampahafantatra ny heviny, amin'ny olombelona, izay mahatonga ny maraina ho maizina, sy mandia ny tampon'ny tany? Iaveh, Andriamanitry ny tafika no anarany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.088