Bokin'i Amosy

Toko faha-5

1 Henoinareo izao teny izao, izay tononiko ny amin'ny momba anareo, - hira fitomaniana, - ry taranak'Israely:

2 Efa lavo, efa tsy hahatsangana intsony, ilay virjinin'Israely! Mitsingadina amin'ny tany izy, ary tsy hisy hanarina azy.

3 Fa izao no lazain'ny Tompo: Ny tanàna namoaka arivo lahy hiantafika, dia hitana zato lahy; ary izay namoaka zato lahy hiantafika, dia hitana folo lahy ho an'ny taranak'Israely.

4 Fa izao no lazain'ny Tompo, amin'ny taranak'Israely: Tadiavo aho, dia velomy hianareo.

5 Aza mitady an'i Betela, aza mankany Galgalà, aza miampita ho any Bersabea! Fa Galgalà, ho lasan-kobabo; ary Betela hanjary tsinontsinona.

6 Tadiavo Iaveh, dia velomy hianareo, fandrao milatsaka, toy ny afo, amin'ny taranak'i Josefa izy, ka handevona azy, nefa tsy hanana olona handevona izany, Betela.

7 Ovany ho abisinta ny hitsiny, ary azerany amin'ny tany ny rariny!

8 Nanao ny Kotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy izy; mampody ho maraina ny aizina, ary ny andro ho alim-pito; miantso ny rano ao an-dranomasina, dia mampiely azy eo ambonin'ny tany; Iaveh no anarany.

9 Ataony mipoaka ny faharavana mamely ny mahery, ary mianjera amin'ny tanana mimanda ny fandravana.

10 Mankahala eo am-bavahady izay mananatra izy ireo; ary tsy tia mainty an'izay miteny amim-pahamarinana.

11 Koa noho hianareo manitsakitsaka ny mahantra, sy mampadoa hetram-bary azy; dia nanao trano vato vaopaika hianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; namboly voaloboka faran'izay tsara hianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

12 Fa fantatro fa maro ny helokareo ary lehibe ny fahotanareo, hianareo izay mampahory ny marina sy mandray kolikoly, ary mampandefitra ny rariny momba ny mahantra eo am-bavahady.

13 Koa dia mangina ny olon-kendry amin'izao andro izao, satria andro ratsy izao.

14 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona hianareo, ka homba anareo Iaveh, Andriamanitry ny tafika, araka ny lazainareo.

15 Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo, ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny; angamba Iaveh Andriamanitry ny tafika, dia hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa!

16 Koa izao no lazain'ny Tompo, ny Andriamanitry ny tafika, ny Tompo: Hisy hidradradradra eny amin'ny kianja rehetra eny: hisy hanao hoe: Indrisy! indrisy! eny an-dalambe rehetra eny; hisy hiantso ny mpiasa hisaona, sy higogogogo, miaraka amin'izay mahay midridridridry.

17 Hitomany ny olona eo amin'ny tanim-boaloboka rehetra: fa handalo eo afovoanao aho, hoy Iaveh.

18 Loza ho an'izay maniry ny andron'ny Tompo! Ho inona ho anareo moa, ny andron'ny Tompo? Ho haizina izy, fa tsy fahazavana.

19 Toy ny olona mandositra ny liona, nefa tonga mitsena azy kosa ny orsa; miditra ao an-tranony izy, mitehin-tànana amin'ny rindrina dia kakerin'ny menarana!...

20 Moa tsy aizina va ny andron'ny Tompo fa tsy fahazavana, haizina tsy misy mangirana?

21 Halako sy tsy ahoako akory izay fetinareo, tsy hankamamiko akory ny fiangonanareo.

22 Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra hianareo tsy mankatelina izany aho; ary izay fisoronanareo zanak'omby matavy tsy jereko velively.

23 Halaviro ahy ny finaonaonan'ny hiranareo; aoka tsy ho reko akory izay feon-dokanganareo!

24 Fa aoka hisononoka hoatra ny rano kosa ny fitsarana; ary toy ny ranondriaka tsy mety ritra ny fahamarinana!

25 Moa nanatitra sorona amam-panatitra ho ahy va hianareo, ry taranak'Israely, nandritra ny efapolo taona tany an'efitra?

26 Ny lain'ny mpanjakanareo no nolanjainareo, mbamin'i Kijoma, ny sampinareo, amam-kintan'andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo;

27 koa hoentiko hatao sesitany ambadik'i Damasa hianareo, hoy Iaveh: Andriamanitry ny tafika no anarany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2988