Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Amosy

Amosy toko 5, 14-15,21-24,

       <14Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy,
mba ho velona hianareo,
ka homba anareo Iaveh, Andriamanitry ny tafika,
araka ny lazainareo.
       15Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo,
ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny;
angamba Iaveh Andriamanitry ny tafika,
dia hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa!
       21Halako sy tsy ahoako akory izay fetinareo,
tsy hankamamiko akory ny fiangonanareo.
       22Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra hianareo
tsy mankatelina izany aho;
ary izay fisoronanareo zanak'omby matavy
tsy jereko velively.
       23Halaviro ahy ny finaonaonan'ny hiranareo;
aoka tsy ho reko akory izay feon-dokanganareo!
       24Fa aoka hisononoka hoatra ny rano kosa ny fitsarana;
ary toy ny ranondriaka tsy mety ritra ny fahamarinana! >