Bokin'i Amosy

Toko faha-6

1 Loza ho an'ireo mandry fahizay ao Siona, sy mitoetra matoky ao an-tendrombohitr'i Samaria; dia ireo malaza indrindra amin'ilay firenena, lohan'ny firenena, ireo izay hatonin'ny taranak'Israely!

4 Mandrimandry eo ambony farafara ivoara izy ireo; sy mivalandotra eo, amin'ny sofĂ -ny; mihinana ny zanak'ondry avy amin'ny andian'ondry izy ireo, sy ny zanak'omby voafahy ao an-tranon'omby.

5 Mandihindihy manaraka ny feon-dokanga izy; namorona zava-maneno, toa an'i Davida.

6 Kaopy lehibe no isotroany divay; diloilo manitra faran'izay tsara no ihosorany; ary tsy mankararirary azy akory ny loza manjo an'i Josefa.

7 Koa ho lasa izy ireo hatao sesin-tany ho lohan'ny lasan-ko babo; ary tsy hisy intsony ny hobim-pifalian'ireo mpanaram-batana ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1574