Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Amosy

Amosy toko 6, 1,4-7,
Matokitoky foana ireo mpanan-karena; nefa izy ireo ho lasan-ko babo, ny tranony hazera, ny ankabeazany hovonoina.

       1Loza ho an'ireo mandry fahizay ao Siona,
sy mitoetra matoky ao an-tendrombohitr'i Samaria;
dia ireo malaza indrindra amin'ilay firenena, lohan'ny firenena,
ireo izay hatonin'ny taranak'Israely!
       4Mandrimandry eo ambony farafara ivoara izy ireo;
sy mivalandotra eo, amin'ny sofĂ -ny;
mihinana ny zanak'ondry avy amin'ny andian'ondry izy ireo,
sy ny zanak'omby voafahy ao an-tranon'omby.
       5Mandihindihy manaraka ny feon-dokanga izy;
namorona zava-maneno, toa an'i Davida.
       6Kaopy lehibe no isotroany divay;
diloilo manitra faran'izay tsara no ihosorany;
ary tsy mankararirary azy akory ny loza manjo an'i Josefa.
       7Koa ho lasa izy ireo hatao sesin-tany
ho lohan'ny lasan-ko babo;
ary tsy hisy intsony ny hobim-pifalian'ireo mpanaram-batana ireo. >