Bokin'i Amosy
Amosy toko 7
Fahitana telo, famantarana: ny valala, ny afo, ny pilao - Fifamalian'i Amosy sy Amasiasa.
1 Izao no nasehon'ny Tompo Iaveh tamiko,
dia indro izy fa namorona valala,
tamin'ny fotoana vao itsimohan'ny kolokolo,
dia ny kolokolo avy nijinjana ho an'ny mpanjaka.
2 Nony tapitra lanin'ireny avokoa ny ahitra amin'ny tany,
dia hoy aho: Ry Tompo Iaveh ô, mba mamelà heloka!
Ahoana no haharetan'i Jakoba? fa kely izy.
3 Ary nanenina amin'izay Iaveh.
Tsy hisy izany, hoy Iaveh.
4 Izao no nasehon'ny Tompo Iaveh tamiko:
dia indro tonga Iaveh hanasazy amn'ny afo,
dia nandevona ny hantsana lehibe ny afo,
sy nandevona ny anjara-lovan'ny Tompo.
5 Ka hoy aho: Mba mitsahara, ry Tompo Iaveh ô!
Ahoana no haharetan'i Jakoba? fa kely izy.
6 Nanenina Iaveh.
Tsy hisy izany koa, hoy ny Tompo Iaveh.
7 Izao no nasehon'ny Tompo tamiko:
dia indro fa nitsangana teo ambonin'ny rindrina mijoro ny Tompo
ary nisy kofehy pilao teny an-tanany.
8 Hoy Iaveh tamiko: Inona no hitanao ry Amosy?
Ka namaly aho hoe: Kofehy pilao.
Dia hoy ny Tompo: Indro aho manisy ny kofehy pilao,
eo amin'Israely vahoakako;
fa tsy hamela ny helony intsony.
9 Ny fitoerana avon'Isaaka ho foanana;
ny fitoera-masin'Israely horavana;
ary hitsangana hamely ny taranak'i Jeroboama amin'ny sabatra aho.
10 Ary Amasiasa, mpisorona ao Betela, naniraka hilaza amin'i Jeroboama, mpanjakan'Israely hoe: Mitetika ny hikomy aminao eo amin'ny taranak'Israely Amosy; tsy zakan'ny tany intsony ny teniny rehetra. 11 Satria izao no tenin'i Amosy: Jeroboama ho fatin'ny sabatra; ary Israely hoentin-ko babo hiala amin'ny taniny.
12 Dia hoy Amasiasa tamin'i Amosy: Ry mpahita ô, mandehana mandositra any amin'ny tanin'i Jodà, ka any hianao no mihinàna hanina; any hianao no maminania. 13 Fa aza maminany atý Betela intsony, satria fitoera-masin'ny mpanjaka ny atý, ary tranom-panjakana. 14 Izao no navalin'i Amosy an'i Amasiasa: Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany; fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy. 15 Ary nalain'ny Tompo tany aorian'ny biby fiompy aho, dia nataon'ny Tompo tamiko hoe: Mandehana hianao, maminany any amin'Israely vahoakako. 16 Koa ankehitriny, mihainoa ny tenin'ny Tompo hianao: Hoy hianao hoe; Aza maminany ny hamelezana an'Israely; ary aza miteny ny hamelezana ny taranak'Isaaka!...
17 Koa izao no lazain'ny Tompo:
Ny vadinao hovetavetaina ao an-tanàna;
ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ho lavon-tsabatra;
ny taninao, hozaraina amin'ny famolaina,
ary hianao ho faty eo amin'ny tany maloto;
ary Israely hoentin-ko babo hiala amin'ny taniny.