Bokin'i Amosy

Toko faha-7

12 Dia hoy Amasiasa tamin'i Amosy: Ry mpahita ô, mandehana mandositra any amin'ny tanin'i Jodà, ka any hianao no mihinàna hanina; any hianao no maminania.

13 Fa aza maminany atý Betela intsony, satria fitoera-masin'ny mpanjaka ny atý, ary tranom-panjakana. 14 Izao no navalin'i Amosy an'i Amasiasa: Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany; fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy. 15 Ary nalain'ny Tompo tany aorian'ny biby fiompy aho, dia nataon'ny Tompo tamiko hoe: Mandehana hianao, maminany any amin'Israely vahoakako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0854