Bokin'i Amosy

Amosy toko 8. 4-7

       4 Mihainoa izao, hianareo mihinana ny mahantra,
sy mitady hamongotra ny mavomavo amin'ny tany,
       5 manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana;
mba hahazoantsika mivarotra vary;
ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary,
ka ny efah hakelezina; ny sikla hampitomboina;
ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.
       6 Dia novidintsika vola ny fadiranovana,
ary ny mahantra, noho ny amin'ny kapa iray lomisy,
sady hivarotantsika ny vary loha-kororoka?
       7 Efa nianiana tamin'ny reharehan'i Jakoba Iaveh:
Raha hohadinoiko mandra-pihavin'ny farany, izay rehetra nataon'izy ireo.