Bokin'i Amosy

Toko faha-8

4 Mihainoa izao, hianareo mihinana ny mahantra, sy mitady hamongotra ny mavomavo amin'ny tany,

5 manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efah hakelezina; ny sikla hampitomboina; ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.

6 Dia novidintsika vola ny fadiranovana, ary ny mahantra, noho ny amin'ny kapa iray lomisy, sady hivarotantsika ny vary loha-kororoka?

7 Efa nianiana tamin'ny reharehan'i Jakoba Iaveh: Raha hohadinoiko mandra-pihavin'ny farany, izay rehetra nataon'izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.146