Bokin'i Amosy

Toko faha-9

11 Amin'izany andro izany ny tranobongon'i Davida efa nianjera, hatsangako indray, ny banga hotapenako, ny rava hamboariko; ka haoriko indray ho tahaka ny tamin'ny andro taloha;

12 mba hananan'izy ireo izay sisa amin'i Edoma, mbamin'ny firenena rehetra niantsoana ny anarako, - teny marin'ny Tompo, izay manao izany zavatra izany.

13 Indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo, ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja; ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy; hitete avy amin'ny tendrombohitra ny divay vaovao, ary ny havoana rehetra hitsonika.

14 Hampodiko indray ny babo amin'Israely vahoakako; ka ny tanĂ na rava, haoriny sy honenany indray; ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy; hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.

15 Hamboleko eo amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana intsony hiala amin'ny tany, izay efa nomeko azy, hoy Iaveh, Andriamanitrao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1753