Ny Asan'ny Apostoly

Toko voalohany

1 Ry Teofily, efa voalazako tamin'ny boky voalohany ny zavatra rehetra nataon'i Jesoa sy nampianariny,

2 hatramin'ny andro nampakarana azy, nony efa nomeny ny didiny tamin'ny alàlan'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny. 3 Taorian'ny nijaliany, dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin'izy ireo fa velona tokoa izy, sady niseho taminy nandritra ny efa-polo andro izy, ary nilazalaza ny momba ny fanjakan'Andriamanitra tamin'izy ireo. 4 Ary ilay niaraka tamin'izy ireo iny izy, dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema, fa hiandry izay nampanantenain'ny Ray, araka ny efa renareo tamin'ny vavako, hoy izy.

5 Fa Joany nanao batemy tamin'ny rano, ary hianareo kosa hatao batemy amin'ny Fanahy Masina, raha afaka andro vitsivitsy. 6 Ka izay tafangona teo dia nanontany azy hoe: Tompoko, amin'izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan'Israely indray? 7 Fa hoy ny navaliny azy ireo: Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana izay efa nalahatry ny Ray amin'ny fahefany. 8 Fa rahefa hidinan'ny Fanahy Masina hianareo dia hahazo hery, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodea ary Samaria ka hatrany amin'ny fara vazan-tany. 9 Nony efa nilaza izany izy, dia nakarina teo anatrehan'izy ireo; ary nisy rahona nanakona azy, ka tsy hitan'ny masony intsony izy.

10 Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo, tamin'i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany, dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany, 11 nanao hoe: Ry lehilahy avy any Galilea, nahoana hianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra? Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo azy niakatra any an-danitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0755