Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-10

25 Vao niditra Piera, dia notsenain'i Kornely, ka sady niankohoka teo an-tongony izy no nitsaoka azy. 26 Fa nasain'i Piera nitsangana izy, nataony hoe: Mitsangàna, fa olona ihany aho. 27 Sady niresaka taminy izy no niditra tao an-trano, ary namantana olona betsaka tafavory tao. 28 Dia hoy izy tamin'izy ireo: Fantatrareo fa fady amin'ny Jody ny mikambana amin'ny jentily na ny miantrano ao aminy; nefa nasehon'Andriamanitra ahy, fa tsy misy olona azoko atao hoe maloto na tsy madio. 29 Koa tsy nisalasala aho, fa nandeha raha vao nampanalainareo, ka inona àry izato anton'ny nampangalanareo ahy? 30 Dia hoy Kornely: Hefarana androany izay, raha nivavaka sy nifady hanina tao an-tranoko aho, dia indro nisy lehilahy niakanjo fotsy nitsangana teo anatrehako tamin'ny ora fahasivy, ka nanao hoe: 31 Ry Kornely, nekena ny vavakao, ary notsarovana eo anatrehan'Andriamanitra ny fiantranao. 32 Koa maniraha ho any Jope, ampanalao Simona izay atao hoe Piera, mitoetra ao an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina, fa izy no hilaza aminao. 33 Dia naniraka ho any aminao niaraka tamin'izay aho; ka tsara ny nahatongavanao. Koa ankehitriny, vory eto anatrehanao izahay rehetra, mba hihaino ny zavatra rehetra asain'Andriamanitra lazainao aminay. 34 Dia niloa-bava Piera ka nanao hoe: Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra:

35 fa izay matahotra azy sy manao ny marina, dia nankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy. 36 Nampitondra teny tamin'ny zanak'Israely izy, mba hanambara fiadanana amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, izay Tompon'izao rehetra izao. 37 Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran'i Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian'ny batemy notorin'i Joany: 38 dia ny amin'i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza, nahasitrana izay rehetra azon'ny demony, satria nomba azy Andriamanitra. 39 Ary izahay no vavolombelon'ny zavatra rehetra nataony tany amin'ny tanin'ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny izy nahantony tamin'ny hazo; 40 nefa natsangan'Andriamanitra kosa izy tamin'ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary, 41 tsy tamin'ny olona rehetra, fa tamin'ny vavolombelona efa voatendrin'Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinanan sy nisotro taminy; rahefa nitsangana tamin'ny maty izy. 42 Izy nandidy anay hitory amin'ny vahoaka sy hanambara fa izy no voatendrin'Andriamanitra ho mpitsara ny velona sy ny maty. 43 Ny mpaminany rehetra koa manambara fa amin'ny anarany no ahazoan'izay rehetra mino azy famelan-keloka. 44 Mbola miteny eo i Piera no nidina tamin'izay rehetra nihaino ny teniny ny Fanahy Masina,

45 ka talanjona fatratra ny mpino voafora tonga teo niaraka tamin'i Piera, nahita fa nidina tamin'ny jentily koa ny fanomezan'ny Fanahy Masina, 46 satria reny niteny fiteny samihafa sy nankalaza an'Andriamanitra izy ireo. 47 Dia hoy Piera: Azo lavina tsy hatao batemy amin'ny rano va ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina toa antsika ireto? 48 Koa ireo nasainy hatao batemy amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompo; izy kosa nangatahin'ireo hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0614