Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-10

9 Nony ampitso, raha mbola teny an-dàlana ireo iraka ireo, ka efa mby akaikin'ny tanàna, Piera kosa niakatra teo ambonin'ny tampon-trano mba hivavaka, tokony ho tamin'ny ora fahenina.

10 Rahefa izany, dia noana izy ka te-hihinana; kanjo, ny olona nanao nahandro ho azy, izy azon-tsindrimandry. 11 Nahita ny lanitra nisokatra izy sy zavatra anankiray toa lamba lehibe nifatotra tamin'ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra ho ety an-tany. 12 Ary tao anatiny nisy ny biby rehetra manan-tongotra efatra, sy ny biby mandady etý an-tany, ary ny voro-manidina. 13 Dia nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Piera; mamonoa ka mihinàna. 14 Fa namaly Piera ka nanao hoe: Sanatria, Tompoko, tsy mbola nihinan-javatra fady sy maloto aho. 15 Fa hoy indray ilay feo taminy: Aza ataonao ho maloto izay efa nodiovin'Andriamanitra. 16 Intelo no naverina natao izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0839